Anjaran'ny laika ny raharaha politika : mamorona sy mahay misantan-javatra, mitarika amin'ny sehatra sosialy, politika, fiharian-karena. Ny laika no foto iorenan'ny fiveralan'ny fiaraha-monina. Ilaina ny firotsahan'ny laika amin'ny raharaha politika mba ho fitaratra sy ho soa iombonana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 28 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 47-53
♦ Voafonja 03 lahy no tafavoaka ny fonjan'Ambalatavoahangy any Toamasina androany tamin'ny mitatao vononana. Efa tratra ny iray, hifampitadiavana ny roalahy izay tafatsoaka niaraka tamin'ny basin'ny mpandraharahan'ny fonja... ♦ Efa mananiky ny 200.000 Ariary ny fampahafantarana didim-pitsarana iray ho an'ny fitsarana eto Antananarivo, hoy ny holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara... ♦ Nandiso fanantenana ny mpiasa ilay fampiakaran-karama ho an'ny sehatra tsy miankina nampanantenain'ny fanjakana. Tsy voahaja tamin'ny didim-panjakana fampiharana mantsy ny fampiakarana 9,9% nifanarahan'ny fanjakana sy ny vondron'ny mpiasa...
♦ Anatin'ny fanomanana ireo fifidianana ny eo anivon'ny CENI. Natomboka any Antsiranana ny famorian'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena ireo hery velona isan-tokony any an-toerana, arahin'ny varavarana misokatra anio tolak'andro... ♦ Hampihatra ny sazy enjana ho an'ireo tratra manao ny taratasy hosoka amin'ny fandraisana ho miaramila ny eo anivon'ny Etamazaorin'ny Tafika malagasy... ♦ Mitohy ny fanapariahana ny vaksiny covid-19, any amin'ny faritra manerana ny nosy, ho an'ny faritra vatovavy dia natomboka omaly ny fanatanterahana izany vaksiny izany mandritra ny 100 andro ka any Mananjary no hanaovana izany...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco