♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...

Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...

♦ Samy afaka nody avokoa na i Leva, Solombavam-bahoaka teo aloha, na ilay lehilahy iray notorian'ny vadin'ity Solombavam-bahoaka teo aloha ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy ireo... ♦ Vahaolana maharitra ahafahana miatrika ny olan'ny famatsiana solika, ny fiaraha-miasa amin'ny firenena arabo, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka raharam-pirenena... ♦ Ny 780 tapitrisa amin'ireo miaina amin'ny vola latsaky ny 2 dolara isan'andro, dia avy amin'ny tontolon'ny mpiasa avokoa. Ao anatin'izany ny ankamaroan'ny mpiasa Malagasy...

Ndao hankaherezina ny raim-pianakaviana amin'ny asa sy ny adidy miandry azy ireo. Ny "ray" dia singa fototra iray ao anatin'ny fianakaviana. Ny teny hoe "raim-pianakaviana" dia kambateny azo tamin'ny : "RAY" lehilahy manana vady aman-janaka, loharano niaviana, loham-pianakaviana ; "FIANAKAVIANA" taranaka avy amin'ny olona iray, olona manana ra iraisana, fiaviana iray. Ny ankohonana dia fiaraha-monin'ny ray, reny ary ny zanaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...