♦ Nisy nanolo vy milanja 20 kg sy 550 g ireo volamena 36 kg very tao amin'ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Nankatoavin'ny Solombavam-bahoaka androany, ny volavolan-dalana momba ny fifanarahana hindramana vola hanaovana ny tetikasa tetezana mihantonba na ny "Fly over" eny Anosizato... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana faobe nanomboka androany, mandram-pivalin'ny fitakiany, ireo mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny...
♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...
Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 16 hatramin'ny 18 jona 2022 ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fizakan-tena ara-tsakafo. Resy lahatra ny fitondram-panjakana fa ny fambolena no fanoitra ho enti-miady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy fitaovana ho enti-mampandroso ny firenena, ary afaka hampitombo ny harin-karena hoy ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fanokafana izany...
♦ Samy afaka nody avokoa na i Leva, Solombavam-bahoaka teo aloha, na ilay lehilahy iray notorian'ny vadin'ity Solombavam-bahoaka teo aloha ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy ireo... ♦ Vahaolana maharitra ahafahana miatrika ny olan'ny famatsiana solika, ny fiaraha-miasa amin'ny firenena arabo, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka raharam-pirenena... ♦ Ny 780 tapitrisa amin'ireo miaina amin'ny vola latsaky ny 2 dolara isan'andro, dia avy amin'ny tontolon'ny mpiasa avokoa. Ao anatin'izany ny ankamaroan'ny mpiasa Malagasy...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco