Misy fampiasana ny fandrenesana mifanohitra amin'ny tokony ho asany : mihaino an-katakonana. Misy fakam-panahy hita eny rehetra eny vohizin'izao vanim-potoanan'ny Web-Social izao izay tsapa ho mihamafy hatrany, tsy inona izany fa ny mihaino sy mitsikilo, manao ny hafa ho toy ny fitaovana hanatrarana ny tombontsoantsika manokana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 12 jona 2022 — Fankalazana manetriketrika ny Trinite Masina — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15
Ny diabeta dia fiakaran'ny fatran'ny siramamy ao amin'ny ra, izay mety hihaotra ny 1,27g/l. Nandritra sy tao anatin'ny vanim-potoana ny valan'aretina Covid19 teo dia niakatra ny fahafantarana ny isan'ny olona marary ny diabetra no ny fitomboan'ny fitaovana ahafahana mitily isam-batan'olona. Ny fitiliana HbA1c dia manome fampahalalana momba ny kalitaon'ny ra sy ny siramamy mandritra ny 4 ka hatramin'ny 8 herinandro mialoha ny fitiliana. Ny diabeta dia miteraka voka-dratsy maro : ny fahasimban'ny lalan-dra madinika sy ny lalan-dra vaventy, ny fiakaran'ny tosi-dra, ny AVC, olana eo amin'ny voa, fery tsy mety sitrana...
♦ Tsy handefitra amin'ireo tompon'antoka tamin'ny famonoana an-dRakotoarisoa Henri izay mpizara vaovao sy mpampaneno lakolosy amin'ireo mpanimba ny tontolo iainana tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fitondram-panjakàna... ♦ Miandrandra fihatsaràna sy fivahan'ny olan'ny fananan-tany misy amin'izao fotoana izao ny tantsaha nandray anjara tamin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany tetsy amin'ny CCI Ivato, izay nifarana omaly... ♦ Tokony ho saziana mafy ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny lavanila izay tsy manaraka ny vidiny farany ambany noferan'ny fanjakàna, raha ny nambaran'ny solombavambahoaka voafidy tany Sambava...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco