Ny fihaonana nisy teo amin'i Jesoa Kristy sy i Zake dia fihaonana niriana, nomanina ary miaro hetaheta lalina. Na efa lehibe àry i Zake dia tsy nahasaka azy izany fa nitady ny fomba rehetra hihaonana amin'i Jesoa Kristy izy ary nivonona ny hibebaka. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 3 mey 2022 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14
Misy teny manandanja tsara atao an-tsaina, izay hamafisin'ny Papa François dia ny hoe: "Fihaonana" "Fihaonana amin'Andriamanitra". Tantara maro ao amin'ny baiboly no miresaka io "Fihaonana" io, isan'izany ny tantaran'i Saoly, izy niova fo sy nibebaka ka tonga ho Paoly. Ny fibebahana izay lalana hiverena amin'ny hasina maha olona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 2 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco