♦ Nosamborina ny ministra sady solombavambahoakan'i Brickaville teo aloha, Vaonalaroy Randrianarisoa. Nentina avy hatrany sy notazomina eny Fiadanana izy, taorian'ny nisamboran'ny mpitandro ny filaminana azy, androany maraina... ♦ Tena efa misy tsy filaminana anatin'ny fitsaràna, raha tena nisy ilay fivoahan'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha ny fonja, hoy ny Randrana Sendikaly. Milaza ho matoky ny PAC, izay nametrahany ny fitoriana io tompon'andraikitra ambony anefa ity vondrona sendikà ity... ♦ Zaza 9 volana ka hatramin'ny 5 taona miisa 4.600.000 no kendrena ho vita vaksiny fanefitry ny kitrotro. Misy ny hetsi-panentanana ho amin'izany fanaovam-baksiny izany mandritra ity herinandro ity...
Mamohehitra : avy amin'ny foto-teny " fohehitra" midika hoe zavatra mahatonga fahavoazana, mampidi-doza. Bakora : mpamari-toetra midika ho malemilemy na mivahavaha na koa miroraka. Migaboka dia mitovy hevitra amin'ny hoe mihavosa, mifaningoho, betsaka. Mariry : ringitra, zava-maniry tsy misy ravina. Ny hoe "Madagasikara" dia maro ny angon-kevitra milaza ny azy isan'izany ny voarakitra ao amin'ilay boky novokarin'ny ministeran'ny kolontsaina, momba ny fiandohan'ny teny "malagasy sy madagasikara". ohatra : ara-tantara dia Jiosy no tonga voalohany teo madagasikara ary nanambatra ireto teny ireto ho "madagasikara" Ma= Moa , Dag= trondro, Escar=Andriamanitra...
♦ Niditra an-tsehatra nitondra fanazavàna tamin'ny tambajotra serasera ny SYNAD, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny lehiben'ny distrika, nanoloana ireo hetsika ara-politika roa samy hafa tany Soavinandriana, izay niteraka resa-be... ♦ Nitombo 2,26% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana, araka ny fampitam-baovaon'ny CENI. Niampy 500.829 ny isan'ireo mpifidy vaovao, taorian'ny fanavaozana isan-taona, izay nifarana tanteraka ny 15 mey teo... ♦ Ahiana tsy hihatra araka ny tokony ho izy ny vidin'ny lavanila farany ambany izay nofaritan'ny fanjakana, hoy ireo mpisehatra ny lavanila any Nosy-Be. Mitaraina izy ireo manoloana ny olana misy...
Endrika isehoan'ny fahafahan'ny olombelona ny fananana manokana. Ny nolavin'ny finoana kristianina hatramin'izay dia ny zo hanan-javatra manokana tsy misy fepetra ary tsy azo tohinina. Ny fananana manokana dia fitaovana enti-milaza fa natao ho an'ny daholobe ny harena eran-tany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco