Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).
♦ Nahazo fahafahana vonjy maika i Clémence Raharinirina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana teny amin'ny Fitsarana Anosy omaly. Amin'ny 3 mey izao ny fotoam-pitsarana azy... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Anosiala sy ireo mpivarotra ao anatin'ny fikambanana FIMA. Hiverina tsy ho ela eny amin'ny Fitsarana ny raharaha... ♦ Nitondra fanazavana momba ireo raharaha mafampana sy nanabe resaka teto amin'ny firenena kosa ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika...
Ilaina fantarina tsara ny atao hoe soa iombonana. Tsy misy afa-mialangalana, fa tsy maintsy samy manao araka izay vitany manoloana ny soa iombonana. Tsy misy fampandrosoana rehefa tsy hihevitra ny soa iombonana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Zoma 15 aprily 2022 — Zoma Masina. Ny fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco