Ny asa fivelomana dia asa miantoka ny fiainana mba ahafahana mivelona, misy vokatra mahavelona ho an'ny tenanao sy ny toeram-piasana. Ny asa dia mivoatra ary ilaina mivoatra manaraka izay koa ny fomba fisainana. Ny asa no tomombana dia noho ny fanomezan-danja ny lafiny ara-teknika sy ny arak'olona. Ny olona ao anatin'ny fitoniana ara-tsaina sy ara-batana, lavitry ny horohoro, dia mamokatra tsara....

♦ Tsy mahasoa ny firenena ny fikasana hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta hoy ny Praiministra Ntsay Chrisitan. Ilaina ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakana, mba ahafahana manarina ny firenena taorian'ny krisy... ♦ Niaka-dapa hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity nanomboka omaly ny parlemantera malagasy... ♦ Tsy mbola nisy haino amanjery nakatona sy mpanao gazety nogadraina hatramin'ny fotoana nandraisana ny fitantanana hoy ny ministry ny serasera omaly 03 mey, andro manerantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety...

Ny fahafahana dia taratr'ilay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fahafahana akory tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-dohan'ny olona amin'Andriamanitra, noho izy arin-tanany ; azo heverina ihany koa fa ny fahafahan'ny zanaka dia tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-doha eo amin'ny ray aman-dreny niandohany.  Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 4 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...