Raha vao mitsidika ny telovolana fahatelo dia efa ny fanadinana famaranana taom-pianarana sy ireo fanadinam-panjakana isan'anmbaratongany no mby ao an-tsaina. Mandritra ny taom-pianarana manontolo no hanomanana ny fanadinana famaranana, fa fanamafisana sy fanantitranterana no atao amin'ny famerenana ankapobeny.
♦ Tetikasa roa mitentina 534,9 tapitrisa dolara no natao sonia tany Washington, DC, afakomaly. Ny iray iarahan'i Madagasikara amin'ny Banky Iraisam-pirenena, ny iray kosa entina miatrika ny valan'aretina Covid-19... ♦ Ampy ny famatsiana solika eto Madagasikara. Efa nigadona tany Toamasina omaly ny sambo nitondra ireo solika nafarana, mahatratra 74 tapitrisa litatra... ♦ Tsy azo ihodivirana intsony ny fampiharana ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara, manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro...
Amin'izay misy eo am-pelatananao, na betsaka na kely ny ananana dia mila mampandray anjara ny mahantra hatrany, ary atao ara-drariny. Tsy fitiava-namana fotsiny no ilaina fa ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny ihany koa. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alarobia 20 aprily 2022 — Alarobia amin'ny havalonandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco