Ny fiangonana dia manana anjara amin'ny fampatsiahivana sy ny tari-dalana ary manome ohatra amin'ny fanabeazana. Ny fiangonana dia manana adidy amin'ny fanabeazana sy fanofanana mba hampivoarana ny maha-olona, ary miara misalahy amin'ny fanjakana amin'izany adidy masina izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Sabotsy 23 aprily 2022 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15
♦ Miantso ny kristianina hijoro ho vavolombelon'ny herin'i Kristy nitsangan-ko velona i Mgr Marie Fabie Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Fanehoam-pitiavana ny fankalazana ny Paka, ka adidin'ny kristianina ny manompo ny hafa, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina... ♦ Nanao antso hampanjariana ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, tamin'ny "Urbi et Orbi", ny alahadin'ny Paka 17 aprily 2022...
Tanora 400.000 (efatra hetsy) isan-taona no tonga eo amin’ny tsenan’ny asa eto Madagasikara araka ny tarehimarika ofisialy. Tsy an’asa avokoa ny atsasak’ireo. Ny 8 alina ihany no afaka mamelo-maso ny fihariana eny ambanivohitra noho ny fandovana tany avy amin’ny ray aman-dreny. Mitaky fifehezana ny famokarana sy ny lalam-barotra handefasana ny vokatra anefa ny fahombiazana. Manana andraikitra amin’ny famolavolana ireo tanora ireo hahafolaka ny famokarana ny vovonam-pikambanana.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco