Raha aravina ny " antso" dia miantefa amin'ny olona rehetra. Ny olona tsy misy avahana no antsoina hahalala sy hitia ary hanompo an'Andriamanitra. Ireo mamaly ny antso ireo no hitalahoan'i Md Piera sy Paoly, ny mba hisikinana amin'ny fiainana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nohamafisin'ny Filoham-pirenena fa hanampy ireo tra-boina rehetra ny fitondram-panjakana. Nijery ny zava-misy teny amin'ny Distrik'Antananarivo Atsimondrano izy androany... ♦ Ampy mandritra ny tapa-bolana mahery ny tahirin-tsolika etyo an-drenivohitra sy manerana ny nosy. Nanazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Tale Jeneralin'ny OMH... ♦ Nodimandry androany i Maître Willy Razafinjatovo na i Maître Olala...
♦ Hihamaina amin'izay ny andro manomboka rahampitso amin'ireo toerana nisian'ny oram-be, raha ny nambaran'ny Météo. Hihena tsikelikely ihany koa ny rotsak'orana na dia mbola hanorana àry ny faritra maro anio... ♦ Niala tsiny tamin'ireo mpandraharaha tsy miankina ny Foibe Fitantanana ny Hetra, manoloana ilay taratasy milaza ny fanitsiana ara-ketra nivoaka. Diso, hoy ny Tale Jeneraly, ny filazana fa hamenoana ny banga amin'ny volam-panjakana ilay filazana fanitsiana ara-ketra ankehitriny...
Mitombo ny vita batemy noho izany ilaina hatrany ny fitombon'ny isan'ny pretra. Miankina amin'ny tombana ataon'ny mpanabe rehefa vita ny adina samihafa, misy fandanjalanjana mifandraika amin'ireo fepetra takiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco