Tamin’izany andro izany, nantsoin’i Jesoa ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny fanahiny? Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’itý taranaka mpijangajanga sy mpanota itý, dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona rahefa avy amin’ny voninahitry ny Rainy Izy otronin’ny Anjely masina." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny voninahitra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany." Hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy." Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona."

Tamin’izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: "Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo." Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: "Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna."

Miezaka isika kristianina hitoetra eo anilan'ireo mijaly amin'ny lalan'ny fitiavana. Nankalazaina ny 11 febroary 2022 teo ny andron'ny marary faha-30. Ny lohahevitra nosafidian'ny Papa Fransoa dia "Aoka ho mpamindra fo tahaka ny rainareo mpamindra fo ianareo" Lk 6, 36. Endrik'i Kristy ny marary, ka manentana ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpikarakaraka marary hanatanteraka am-pitiavana sy am-panetren-tena ny asan'izy ireo ka hahatonga izany ho lasa asa fitoriana...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...