♦ Vinavinaina hiditra an-tanety afaka adiny iray any Sainte Marie ilay rivodoza Dumako. Nampitandrina ny Météo fa hitohy ny ora-mikija any amin'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Mitaky ny hanohizana ny fanadihadiana momba ilay raharaha nampametram-pialàna ny ministry ny fitsaràna teo aloha ny HVM... ♦ Mitokona ny vadin-tany manerana an'i Madagasikara nanomboka omaly. Tsy mamonjy asa eny anivon'ny fitsarana intsony izy ireo, ao anatin'ny fotoana tsy voafetra...

Ny riba dia ilazàna ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin'ny firenena iray. Ny riba dia notovozina avy amin'ny tenim-paritra izay midika hoe "rindrina" na "fefy". Ny fomba dia singa iray ao anatin'ny riba. Misy ny fomba amam-pihetsika sy fanao no efa ao anaty voajanahary "tsiripahalalana latsaka anaty" fa misy koa ireo tefena sy tovozona eny amin'ny tontolo manodidina izay voafaritra ho riba.

♦ Ho tapitra anio ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nilaza ny antoko HVM fa fanavaozana tanteraka no tokony atao amin'ity taona ity, araka ny lalàna... ♦ Tombànana hiditra an-tanety anio tolak'andro na anio alina ilay rivodoza Dumako, ho betsaka ny rotsak'orana manodidina ny Faritra Analanjirofo sy Cap Masoala... ♦ Nitaraina ny fianakavian'ilay olona notifirin'ny Zandary teny Sabotsy-Namehana ny zoma teo fa tsy olon-dratsy ny havany, milaza hitory izy ireo...

Mila fahasahiana ny fitoriana an'i Jesoa Kristy. Matetika isika no matahotra ny manolotra an'i Kristy. Tsy azo atao tsirambina ny fandraisana ny Fanahy Masina eo am-panatnterahana ny asa-pitoriana satria Izy no manokatra ny fon'ireo hitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...