♦ Mampanahy ny tsy fandriampahalemana any amin'ny Disitrikan'Amboasary, ka anaovan'Andriamatoa Maka Alphonse antso avo amin'ny fandraisana andraikitry ny mpitondra... ♦ Taonan'ny asa ho an'ny Faritra Atsinanana ity taona ity, raha ny jery todika nataon'ny Governora any an-toerana... ♦ Hiteraka olana lehibe ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fibodoana tany, ataon'ny olon-tsotra eny amin'ny tanin'ny oniversitem-panjakana...

♦ Mbola tsy nandrenesam-baovao ôfisialy ihany hatramin'izao ny momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy Comores... ♦ Mitaky ny fametraham-pialan'ny Minisitry ny Angovo sy ny Tale Jeneralin'ny Jirama ny Depiote Todisoa Andriamampandry, manoloana ny fahatapahan'ny herinaratra tato ho ato... ♦ Nanameloka ilay fandratrana tovovavy, tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...

Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.

♦ Nofoanana ny hetsika saika hamaranana ny fanamarihana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo, anton'izany ny zava-misy ara-pahasalamana eto Antananarivo... ♦ Nisy bolongam-bolamena 49 kg naondrana antsokosoka, tratra tatsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena atsy amin'ny nosy Comores. Misy teratany Malagasy roa voarohirohy amin'io raharaha io... ♦ Hodiovina ny lakan-drano C3, mirefy 17 km, manondraka tanimbary maro eny amin'ny lemak'i Betsimitatatra. Haharitra tapa-bolana ny asa iarahana amin'ny APIPA...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...