♦ Tombanana hiditra an-tanety any amin'ny morotsiraka atsinanan'ny nosy amin'ny faran'ny herinandro izao ilay rivo-doza Batsirai. Nanafatra ny vahoakan'i Toamasina hiomana sy ho mailo ny filohan'ny repoblika... ♦ Nijery ny traboina tao Toamasina, omaly, ny filoham-pirenena, miara miara-miatrika amin'ny vahoaka ny voina mahazo azy ny fitondrana... ♦ Raharaha Mahery Lanto Manandafy, nalefa nody taorian'ny fanadihadiana natao taminy izy omaly...

Ao amin'ny fikambanana masina no hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Sehatra hamolavolana ny ankizy sy ny tanora ny fikambanana masina. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 2 febroary 2022 — Ny nanolorana ny Tompo — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40

♦ Mampitandrina ny mponina amin'ny faritra rehetra izay mety handalovan'ny rivodoza Batsirai, ny BNGRC, fa hahery vaika ity rivodoza ity ka mety hitondra takaitra betsaka, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Olona 500 no nisantarana ny fizarana Vatsy Tsinjo, tany Toamasina androany. Maniry mafy ny mba hanomezana fanampiana azy ireo ihany koa ireo olona marefo sy manana fahasembanana, any an-toerana... ♦ Miroso hatrany ny fanomanana ny JMJ Mada faha-10, izay hotanterahana any Antsirabe...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...