Ny mpiofana ho pretra dia miofana mandritra ny telo taona manaraka ny fianarana filôzôfia eny amin'ny Seminera zokiny izay hanovozana ny rafi-pisainan'ny olona araka ny vanim-potoana. Vita izay, antsoina hisantatra ny pastoraly ny mpiofana, mandritra ny roa taona mamita ny " régence". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alatsinainy 20 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
Misy dingana telo lehibe ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka faha-16 : ny fakan-kevitra ny vahoakan'Andriamanitra any amin'ny Eglizy fototra izay entina eo anivon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka, ny fandinihan'ny eveka eo amin'ny kontinanta ary ny fivoriam-ben'ireo eveka solo-tena any Roma. Fanazavana entin'i Ramatoakely Miora Rakotonirainy, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody.
Ny tovolahy maniry ny hiofana ho pretra dia tokony olona salama, manana tanjaka. Anatin'ny fepetra tokony ananana ihany koa ny taona sy ny fahalalana. Taona iray aorian'ny bakalôrea dia miroso sy miofana ao amin'ny seminera propededika. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco