Alatsinainy 17 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22
Isika tokoa dia tsy manana tanàna maharitra eto an-tany (He 13,14), fa "mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra" (Fil 3,20), "izay misy ny harenao no hisy ny fonao" (Mt 6,21). Tokam-po hitia an'Andriamanitra izy ireo ka sahy mijoro ho vavolombelon'ny Fanjakany izay hany harena tena marina. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Alahady 16 janoary 2022 — Alahady faharoa mandavantaona — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12
♦ Nivoaka omaly ireo tetiandro ho an'ny fanadinam-panjakàna amin'ny fanabeazana fototra amin'ity taona ity. Ny faraparan'ny volana jiona sy ny fiandohan'ny volana jolay, ny CEPE sy BEPC... ♦ Omena fiantohana ara-tsôsialy sy afaka mindram-bola any amin'ny banky sy ny fandaharan'asa fihariana manomboka izao ireo mpanao asa tanana... ♦ Misaona ny baolina kitra malagasy, nodimandry omaly i Alban Rabemananjara, kintan'ny baolina kitra fahiny, mpanafiky ny AS Sotema...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco