Amin'izao taona mialoha ny fifidianana izao dia hilaina tokoa ny manao tsiahy ny andraikitra ny maha-olom-pirenena mba hahafahana mampivady azy amin'ny fampianarana ara-pifidianana. Manoloana an'izany dia ny programa PCE ao amin'ny CA MDG dia efa nanomana hetsika mahakasika ny fandraisana anjara amin'ny maha-olom-pirenena sy ny hay tantana ny taona lasa, izay ahitana lohahevitra lehibe mahakasika ny atao hoe cybercitoyenneté sy ny Transparence&Redevabilité ao anatin'izany. Inona tokoa ary ny mahatonga ny nisafidianana ireo lohahevitra ireo manoloana ny toe-draharaha misy antsika izao?

♦ Nodimandry tampoka, rehefa nitambotsitra teo am-pitarihana fanompoam-pivavahana ny Filoha Lefitry ny FLM, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Andrasana ny vokatry ny fangatahana nataon'ny fitondrana malagasy ny amin'ny hampodiana eto Madagasikara ireo volamena 73 kilao sy ireo olona voasaringotra tamin'izany, tany Afrika Atsimo... ♦ Olona 120 kosa no nisitraka Kopiam-pahaterahana tao an-tampon-tananan'i Toamasina...

Ilaina ny fifampitokisana sy ny fahaiza-mihaino eo amin'ny mpitarika sy ny mpikambana. Kanefa na inona na inona no mety ho endriky ny dinidinika nifanaovana, dia ny lehibe mandrakariva no tompon'ny teny farany, ary ny mpikambana dia manaiky amim-pinoana sy amim-pitiavana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Zoma 14 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...