♦ Tokony ho hita taratra amin'ny fiainan'ny mpamaky sy mpitory teny ny tenin'Andriamanitra, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Katedraly Andohalo, ny alahady 23 janoary 2022 ny fanamarihana ny Herinandro hivavahana ho an'ny Firaisan'ny Kristianina... ♦ Mifantoka amin'ny fahaizana mifampihaino ny hafatra ho an'ny Andro eran-tany faha-56 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...
♦ Mitombo ny haavon'ny reniranon'Ikopa sy i Sisaony ary i Mamba, tao aorian'ny filazana loza mitatao omaly. Miantso ny mponina amin'ny Kaominina andalalovan'ireo renirano telo ireo ny tompon'andraikitra, hitandrina ary hiala amin'izany toerana izany... ♦ Mitaky ny hanohizana ny tetik'asa Base Toliara ny fiaraha-monim-pirenena ivondronan'ireo ray aman-dreny any Toliara... ♦ Tokony hapetraka eto Madagasikara ny fahefa-mividy manara-penitra, hoy ny mpahay toe-karena Rakotoson D...
Ny pretra dia olom-boahosotra mba hanamasina ny vahoakan'Andriamanitra. Izay manokan-tena dia mamela ny fiainan'izao tontolo izao. Ny fanokanan-tena dia fanandratan'Andriamanitra ilay voafidy. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy hatrany sakana manodidina ny antso. Misy mandrakariva ny fakam-panahy, fivadiham-pitokisana. Raha lasa fahazarana ny fahotana dia miverina tsy ho fahotana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco