Maneho ny fahamasinan'i Masina Maria ny fahavirjiniana. Tsy virjiny ara-batana fotsiny izy fa virjiny ara-panahy, hoy i Md Ambroise. MIfototra amin'ny fiarahaban'ny anjely hoe : "arahaba ry ilay feno hasoavana" ny fampianaran'ny Eglizy. feno hasoavana i Masina Maria, izany hoe: tsy voakasaky ny fahotana tamin'ny fototra fa soa daholo ny ao anatiny. Fandaharana momba an'i Masina maria, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

♦ Nomarihana tamin'ny alahady 9 janoary 2022, ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Masera Saint Joseph d'Aosta, any Vohilava, Mananjary... ♦ Mitaky toe-panahy vonona ny hisokatra, mahay mihaino sy mifanakalo hevitra, ny fandraisana anjara amin'ny Sinaody... ♦ Niarahaba sy nirary soa ny Papa François ny diplaomaty miisa 183 ho Masoivoho vahiny any amin'ny Fiketrahana Masina...

Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Feno 30 taona nijoroana amin'ity taona 2022 ity moa izany foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano izany...

♦ Mila sahy mamoaka rafitra mazava sy ara-dalana mba tsy hahafahan'ireo olom-bitsy mifehy samy irery ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany ny fitondrana, hoy ny Solombavam-bahoaka Jean Brunelle Razafitsiandraofa... ♦ Trano maherin'ny folo, miaraka amin'ny voly sy ny biby fiompy no potika, vokatry ny fipoahan'ny dynamite, tany Nosy Be... ♦ Miroso amin'ny famendrahana fanafody ireo sekoly amin'izao fotoana izao, andro vitsy mialoha ny hiverenan'ny fampianarana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...