Zoma 31 desambra 2021 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
♦ Mbola nohamafisin'ny Préfet-n'ny Polisy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho fiatrehana ny faran'ny taona sy ny taom-baovao, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Misy ambadika pôlitika sy fikendrehana famotehana ny fitorian'ny Solombavambahoaka iray an'i Jean Nirina Rafanomezantsoa, raha ny nambarany androany... ♦ Basy 358 no nisy nanatitra teny amin'ny tobin'ny zandary tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana, vokatry ny fanentanana nataon'ny Zandarimariam-pirenena...
♦ Manentana an'ireo olona monina eny ambanin'Ampahamarinana sy ny manodidina ny BNGRC mba handao izany toerana izany. Tandindomin-doza tanteraka izany faritra izany amin'izao fiavian'ny orana izao... ♦ Miantso ny malagasy hiandry ampitoniana ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny loza nitranga an-dranomasina tany amin'ny faritra Analanjirofo ny fikambanana JIDIFFATO... ♦ Mirongatra ny Covid-19 any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanana. Mandray fepetra hisorohana ny fiparitahany ny tompon'andraikitra...
Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco