♦ Nitondra hafatra noho ny andro anio, hahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny sy hatokana hivavahana ho an'ireo Malagasy maty vokatry ny voina samihafa ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasiakara... ♦ Efa nandraisana fepetra ny fahatapahan'ny herinaratra eo anivon'ireo hôpitalim-panjakana na CTC mandray ireo mararin'ny Covid-19, eto Antananarivo... ♦ Zazavavy iray 28 taona no noratraina tamin'ny fomba feno habibiana tany Fenoarivobe, Faritra Bongolava...

Ilay fanirahana azon'ireo mpianatr'i Jesoa, voalohany, dia fanirahana mitohy : "mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria amin'ny firenena rehetra". Ilaina ny pretra mba hitory sy hampifandray ny fiangonana sy ny tany rehetra, amin'ny alalan'ny Evanjely. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

♦ Natao hanatanterahana ny asa fanirahan'ny Eglizy ny fiarahan-dia, ka antsoina handray anjara amin'izany avokoa ny mpino rehetra... ♦ Mitaky fiaretana ny mafy sy faharetana ny fifanakalozan-kevitra, ary manampy amin'ny fifankahazoana...

Talata 28 desambra 2021 — Ireo zaza tsy manan-tsiny — Andriamanitra ô midera anao izahay; manambara fa Ianao no Tompo; ary mihoby anao ny antokon'ny martiry feno hadiovana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-18

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...