Naseho an'ireo tantsaha tetsy amin'ny lemak'i Laniera ao amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana distrika Antananarivo-Avaradrano ny fomba fanetsana amin'ny alalan'ny milina entin-tanana sy ny milina maneha amin'ny angovo. Milina natao hifanaraka amin'ny fomba fambolem-bary voizin'ny tetik'asa PAPRIZ izay eo ambany fiahian'ny MInisteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

♦ Tontosa ny maraina teo ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny Kolonely Rakotomiliharison Hery Fanomezantsoa... ♦ Ilaina ny fitandremana amin'ny fiatrehana ny fety satria ahiana tsy hijanona hiakatra indray ny antontanisa momba ny Covid-19 raha tsy tratra ny "pic", hoy ny mpitsabo... ♦ Samy nanao izay ho afany ny tsirairay manoloana ny fiatrehana ny fetin'ny Noely, raha ny fanadihadiana natao...

Mangina ny fanentanana amin'ny ady amin'ny Sida eto amintsika dia mihevitra ny olona fa efa foana izy. Mila hampiroboroboana ny fepetra fiarovana amin'ny fifindrany sy ny fanaovana fitiliana. Ireo tsy manao fitiliana kanefa mitondra tsimokaretina no mamindra fa ireo efa fantatra dia efa manaraka fitsaboana ny ankamaroany.

♦ Ho tanterahana anio amin'ny 10 ora maraina etsy amin'ny BANI Ivato ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny Kolonely Rakotomiliharison Hery Fanomezantsoa... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao izao ny resaka nataon'ny SEG, momba iny fianjeran'ny angidimby tany an-dranomasina iny... ♦ Tahina Malala Rambeloarisoa kosa no nahazo ny laharana voalohany tamin'ilay fifaninanana ohabolana an-tsarimihetsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...