♦ Nohenoin'ny fitsarana momba ilay raharaha Apollo 21  androany, ilay mpanakanto Sareraka sy ireo Zandary dimy ao anatin'ny GSIS, samy voarohirohy amin'ity raharaha ity... ♦ Tsy nahitana 'doublons" ny antotan-kevitra tao amin'ny CENI, hoy ny filoha vaovaon'ity Vaomieram-pirenena ity androany... ♦ Vita, ary notokanana ny tapany voalohany amin'ny fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina. Hampidina ny vidin'ny entana ilain'ny Malagasy ny fahavitan'io fotodrafitr'asa io, hoy ny Filoham-pirenena...

Efa maro ny lohahevitra noresahina mahakasika ny fanehoam-pitiavana. Ny vatana mifanakaiky dia isan'ny fanehoam-pitiavana hafa koa, izay mamoaka onjan'ny firaisan-tsaina sy onjan'ny fifampitokisana. Ity fomba fanehoana fitiavana ity dia azon'ny rehetra atao na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka.  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Raharaham-pitsaràna an'ireo olona voarohirohy tamin'ny fikasana hifofo ny ain'ny olom-panjakàna ambony tamin'ny volana jolay, natomboka tamin'ny fihainoana an'i Marc Philippe, frantsay, ny omaly, izay voapanga ho nanomana kômandô... ♦ Marihana androany ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Any Fianarantsoano hanaovana ny lanonana ôfisialy... ♦ Nahavita dingana goavana amin'ny ady sisika ny fiaraha-monina sivily eto Madagasikara. Nihatsara ny toerana misy azy ireo aty amin'ny faritra Afrika Atsimo-Atsinanana.  Famatsim-bola no mbola lesoka ho an'ny malagasy...

Ny Eglizy dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra. Mahefa be ny Eglizy rahefa ahafahan'ny zatovo manao ny anjarany amin'ny famelomana ny ain'ny Eglizy. Ireny olona voaantso manokana ireny dia matetika no niainga avy amin'ireo karazam-pikambanana masina eo amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...