Ny fiovaon'ny toetr'andro dia miteraka fahavoazana maro, na ho an'ny mponina an-drenivohitra na ny eny ambanivohitra. Ny fiovan'ny toetr'andro dia efa nampoizina ary efa nanomanana ny tsirairay. Porofo ny fiovana ny fiakaran'ny marimpana, ny tsy fitovian'ny faharetan'ny fizaran-taona sy tsy firindràny. Manakorotana ny asa fivelomana sy ny fahasalamana izao fiovana izao. Mirongatra ho azy ny fifindra-monina noho ny fiovan'ny toetr'andro...

♦ Fihaonana an-tampony momba ny sakafo ho an'ny fitomboana : 811 tapitrisa ny olona tratry ny mosary eran-tany, ary maherin'ny 155 tapitrisa ny ankizy tsy mitombo ara-dalana noho ny tsy fanjarian-tsakafo. Mila fandraisana andraikitra hoy ny filoha Malagasy tany Japon, ... ♦ Tsy latsaky ny 20 ny ankizy maty vokatry ny hanoanana any Ambindamahery, kaominina Sahanalo, faritra Anôsy... ♦ Raharaha Apollo 21, mbola Paul Rafanoharana ihany no nohainoan'ny mpitsara omaly, tamin'izy 20 mianadahy voarohirohy, tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka...

Tonga Zanak'Andriamanitra sy ny Eglizy isika noho ny Batemy ary " Fanahy iray no nanaovana Batemy antsika, mba ho vatana iray isika". Sarobidy ny famolavolana ho amin'ny fandraharahana masina satria lehilahy vita Batemy ihany no azon'ny Eglizy omena ny Sakramentan'ny Fandraharahana masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Natoky tanteraka ny herin'ny fanavotan'Andriamanitra i Md Josefa. Modelin'ny fankatoavana ny finoana sy ny fitiavana ho antsika ao amin'ny Eglizy izy, tamin'ny "eny" nankatoavany ny sitrapon'andriamanitra araka izay nampitain'ny anjely taminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...