Ny kolontsaina " ny tokontrano tsy ahahaka" dia avy amin'ny soatoavina maha-malagasy ary ny fijery maha-kristiana. Misy fetrany ihany anefa izany raha tonga any amin'ny tsy azo hanoharana ka ilàna ny fanampian'ireo olona natokana ho amin'izany.

Ny fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny rakitra any  an-tsaha, izay voalaza ao amin'i Md Matio 13. Tsy lo ny harena ara-panahy dia ny " finoana an'i Jesoa Kristy". Katesizy momba ny fanehoana ny harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Zoma 15 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7

♦ 63 taona katroka androany no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara. Nahatsiaro izany ireo Sojabe, tany amin'ny Distrikan'i Mandritsara izay nipoiran'ny Filohan'ny Repoblika voalohany... ♦ Atao mitovy avokoa ny Karinem-pokotanin'ny malagasy rehetra, manaraka ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny teknolojia. Tsy hahafahana manao hosoka intsony, hanamora ny fanisam-bahoaka sy ny asan'ny tondfram-panjakana ary ny fanomezana ireo fanampiana ara-tsosialy...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...