♦ Miverina indray ny fanakanan-dalana amin'ny Lalam-pirenena faha-7, ankehitriny. Taxi-brousse 50 nanao "caravane" no nosakan'ny jiolahy tany Ilaka Centre Ambositra, fiara 5 voaroba... ♦ Tafakatra any amin'ny dingana manaraka ny CFFA nisolotena an'i Madagasikara amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny mozika Raggae eto Madagasikara. Nodimandry omaly tatsy La Réunion ilay mpanakanto Sammy Rastafanahy...
Ilàna fandinihina tsara ny mety ho hevitry ny antso ho an'ny olona iray. Maka bahana ara-potoana tsara ary atao feno ny fiomanana. Katesizy momba ny Fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Fanomanana an'i Maria virijiny ny votoatiny hafatra noentin'ny anjely. Taitra ihany Maria virijiny ary mety nisy tahotra tao anatiny tamin'ny faharenesana ny hafatra. Nangina ary nieritreritra tao am-pony izy nandalina ny momba azy sy izay nolazain'ny anjely. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny aretina pesta dia efa nisy teto ambonin'ny tany 20 000 taona lasa izay, fa tamin'ny taona 1894 kosa vao fantatra mazava tamin'ny alalan'ny fikarohana nataon'i Dr Alexandre Yersin. Tamin'ny taona 1898 no tafiditra teto Madagasikara ny peste noho ny fidiran'ny olona nararin'ny pesta avy any ivelany tamin'ny alalan'ny sambo...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco