♦ Tombanana hiakatra hatrany amin'ny 7,5% ny taham-piakaran'ny vidim-piainana eto Madagasikara hatramin'ny faran'ity taona ity, araka ny antontan'isa navoakan'ny Instat... ♦ Hitombo 5% ny teti-bola ho ampiasain'ny kaominina Antananarivo ho an'ny taona 2022, antony ny fanamboarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa... ♦ Voarara any amin'ny distrika Sakaraha ny fitondràna fitaovam-piadiana, vokatry ny fifandonan'ny foko Antandroy sy ny Bara tamin'ny herinandro teo...
♦ Omaly vao voafehy ny afo, manoloana ny firehetana tany amin'ny valan-javaboaharin'Ankarafantsika, araka ny tatitry ny ministera, toerana roa hafa koa, tratran'ny doro tanety any an-toerana... ♦ Mbola mikatso ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Toliara, taorian'ilay savorovoro farany teo... ♦ Manomboka ny fanenjehana ireo taxi-moto, ao an-drenivohitra. Moto maro omaly no noraofin'ny Pôlisim-pirenena ary nahiditra valan-tsazy...
Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 14 septambra 2021 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco