• Hikisaka mianatsimo atsinanana manomboka anio ny foiben'ny rivo-doza Dikeledi. Handalo ny manodidina ny 200 km miala ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy izy, amin'ny tanjaka rivo-doza mahery vaika...
  • Fitoriana momba ny fifidianana 51 no niakatra fitsaràna teny amin'ny Tribonaly misahana ny ady amin'ny Fanjakàna Anosy omaly. Anisan'ireny ireo raharaha ifampitorian'ireo sasany ho an'ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo...
  • Miantso fitoniana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena eo am-piandrasana ny vokatra ôfisialy ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina. Tany demôkratika i Madagasikara hoy izy...
  • Niovitrovitra ny tany, tany amin'ny prefektioran'ny Myazaki any amin'ny nosy Kyushu any Japon omaly hariva, nahiana ny nisian'ny Tsunami tany an-toerana...

Ny Fulgence tsarovana amin'izao 14 janoary izao dia ilay hoe Fabius Claudius Gordianus Fulgentius, teraka avy amin'ny fianakavian'andriana tamin'ny taona 458 tao Fériana ao Tunisie izy. Mbola kely izy no nisaraka tamin'ny rainy ka ny reniny no nanabe azy.

Ny fahafahana mibanjina dia tahaka ny "sira" manome tsiro ny fiainana : manome tsiro ny tontolo andro ; satria afaka mibanjina amin'ny alalan'ny fahitana, sy ny fandrenesana famakiana boky.  Ny mibanjina dia "tsy fomba fiasa" fa "fomba fiainana"... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Tany amin'ny 475 km avaratra andrefan'i Besalampy no nisy ny foiben'ilay rivo-doza Dikeledi tamin'ny 3 ora tolak'andro teo...
  • Miantso ny vahoaka Malagasy sy ireo mpisehatra pôlitika hiandry amim-pitoniana ny fivoahan'ny voka-pifidianana ôfisialy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin...
  • Raharaham-pitsaràna miisa 51 no niakatra Fitsaràna androany teny amin'ny tribonaly misahana amin'ny ady amin'ny fanjakàna, isan'izany ny fitoriana nataon'ny kandidà Tojo Ravalomanana ny kandidàn'ny IRMAR Herilala Ramanantsoa...
  • Nandefa Telegrama nosoniavin'ny Kardinaly Pietro Parolin any amin'ny Arsevekan'i Los Angeles Mgr José Gomez i Papa François, manoloana ny firehetan'io tanàna io ankehitriny...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...