♦ Anio tolakandro no hiatrika ny lalao faharoa amin'ny fifanintsanana Mondial 2022 ny Barean'i Madagasikara. Lalao ho tanterahana any Dar es Salam... ♦ Impito izao no notorin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo eny amin'ny Fitsarana ny Mpanolotsain'ny Tanana Clémence Raharinirina. Niatrika famotorana teny Polisy teny Tsaralalana indray izy omaly...

Rehefa niantso ny Apostoly i Jesoa Kristy dia hoy izy : "manaraha ahy". Tamin'ny lalana nanarahana an'i Jesoa Kristy no nisy ny votoatin'ny antso, niantefa tamin'ireo mpanara-dia azy. Andriamanitra rehefa miantso dia izay fantany sy hitany no antsoiny , noho izany dia mila manao ezaka isika manakaiky azy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Talata 7 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

♦ Fotoana fidirana an-tsehatra eo amin'ny tontolon'ny pôlitika izao ho an'ireo maniry ny handray anjara amin'ny fifidianana ny taona 2023, hoy ny OHT... ♦ Niditra ny andiany fahafito indray ny disadisa eo amin'ny mpitantana ny tananan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Mpanolotsaina ny tanana, Clémence Raharinirina... ♦ Faritany roa, Antananarivo sy Antsiranana sisa no mbola tsy namoaka ny voka-pifidianana bakalorea...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...