♦ Tinapaka nandritra ny COPRIES fa ny 04 oktobra izao ny daty fidirana ho an'ny Oniversite... ♦ Tsy mbola hiroso amin'ny fitakiana hetra amin'ireo sekoly tsy miankina ny fanjakàna, hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Hikarakara hetsika fifanohanana sy fifanampiana eny amin'ny Esca Antanimena ny fikambanana Mada-Triso amin'ny sabotsy heriny anio...
♦ Fonja voalohany manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny any Imerintsiatosika hoy ny Filohan'ny repoblika... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hanafoana ny fameram-bidy amin'ny fivarotana lavanila any ivelany ireo fiaraha-monim-pirenena avy any amin'ny Faritra Sava sy Analanjirofo... ♦ Ny akon'ny dinika nitadiavam-bahaolana amin'ny seha-pitanterana ato amin'ny distrika Ambohidratrimo...
Maria virijiny dia olona mendrika, maha te ho tia. Ao anatin'ny fifampiresahana tamin'i Maria sy ny anjely : ny ARAHABA dia mitovy amin'ny MIFALIA, izay manasongadina fa feno hasoavana izy ary io hasoavana io no miteraka hafaliana feno. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 18 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco