Fotoam-pahasoavana ny Sinaody, hoy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana, ka manentana ny rehetra tsy ankanavaka izy mba handray anjara amin’ny fanomanana ny sinaodan’ny eveka hofaranana amin’ny oktobra 2023.
♦ Nolavin'ny RMDM ny fanasana azy ireo hiady hevitra miaraka amin'ny TRMDM, ao amin'ny TVM, anio zoma. Notakiany ny hisokafan'ny adihevitra amin'ny mpitondra... ♦ Takian'ny GARDUC ny fampitsaharana ny fampiharana ny Tarif Optima. Nankasitrahany koa ny fanalana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Mitohy ny famotorana sy ny fanadihadiana momba ilay famakiana banky tany Andohan'Ilakaka. Nohenoina ny tompon'andraikitry ny banky vaky...
Ny kolontsaina " ny tokontrano tsy ahahaka" dia avy amin'ny soatoavina maha-malagasy ary ny fijery maha-kristiana. Misy fetrany ihany anefa izany raha tonga any amin'ny tsy azo hanoharana ka ilàna ny fanampian'ireo olona natokana ho amin'izany.
Ny fanjakan'Andriamanitra dia tahaka ny rakitra any an-tsaha, izay voalaza ao amin'i Md Matio 13. Tsy lo ny harena ara-panahy dia ny " finoana an'i Jesoa Kristy". Katesizy momba ny fanehoana ny harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco