Isan'ny antso ihany koa ny fanambadiana. Misy dingana miisa telo : ara-pianankaviana, ara-panjakàna, ary ara-pinoana. Miteraka  adidy sy andraikitra ny fanambadiana sy ny maha kristiana. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alakamisy 7 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13

♦ Natsahatra tamin'ny asany eo anivon'ny Federasiona Malagasy Baolina Kitra, Andriamatoa Arizaka Rabekoto Raoul. Ireo Filoha lefitra telo no hitantana vonjimaika ny Federasiona... ♦ Manambana ny hametraka rafitra ara-panjakana hiahy ny asa fanaovan-gazety ny "Cellule de crise", raha toa ka voatazona ny datin'ny fifidianana ny biraon'ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nosokafana androany, ny fetin'ny Sambatra ao Mananjary...

♦ Nodimandry omaly ny Jeneraly Fidy. Nahafantarana azy ny raharaha 2002, nitarihany ny zana-dambo nanohitra ny miaramila miara-dia tamin'ny filoha teo aloha Ny amiraly Didier Ratsiraka tao Andohanatady-Fianarantsoa... ♦ Tanterahana any Ambositra ny andro siantifika ho an'ny IST andiany faha enina. Mandray anjara avokoa ny IST telo eto amin'ny nosy... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 60 000 Ariary ny iray kilaon'ny Lavanila masaka any amin'ny distrika Vohipeno. Kivy tanteraka ny mpamboly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...