Matetika ny olona dia tsy mampiseho mivantana ny tena iainany marina ohatra amin'ny hafaliana na fahasahirana. Raha tsy miaina amin'ny toe-tsaina mangarahara isika dia mitoetra ao anaty fihatsarambelatsihy. Ny voajanahary dia ny milaza izay iainana amin'ny fihetsika na fiteny, tahaka ny fomban'ny ankizy. Ilaina fandanjalanjana araka izany ny toe-tsaina...

♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny mpanabe ireo mpampianatra mivondrona anaty sendika samihafa. Miantso ny mpitondra hanome lanja ny sehatr'asa fanabeazana izy ireo... ♦ Hanandratra ny asa tanana, vita amin'ny hoditra amin'ny alalan'ny varotra fampirantiana ny mpisehatra : Hetsika Ankora gasik'Art eny Antaninarenina... ♦ Hitohy isan'andro manomboka izao ny famendrahana ranom-panafody mamono tsimok'aretina ho an'ny fiara fitanteram-bahoaka an-drenivohitra...

Tsara ny halalana ny hoe : famantarana. Zavatra manaitra mahatonga haniry hanao zavatra iray. Mila olona hanampy ianao, hampirona kokoa amin'ny famaliana ny antso. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 6 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...