Talata 5 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42

♦ Notsenain'ny mpandraharahan'ny Oniversiten'Antananarivo tamin'ny fitokonana androany, ny fidiran'ny taom-pianarana teny Ankatso... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra ny samy mpanao gazety, manoloana ny fifidianana ny filoha vaovaon'ny OJM... ♦ Miisa telo ireo mpilalaon'ny Barea tsy ho avy amin'ny fihaonana amin'ny RDC, Isan'ireny i Carolus...

♦ Nosokafana omaly ny Sinaody faha-7, ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana... ♦ "Eglizy miara-mandray andraikitra, miara-manatontosa ny iraka", io no hafatrafatra natolotr'i Mgr Jean Claude Randianarisoa, nandritra ny fitsofan-drano ny fasana vaovaon'ny fikambanana Trinitera, tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy hoe, manompo ireo madinika, fotsiny ihany, fa mahatsapa ho madinika ihany koa : fampianarana nentin'ny Ray Masina nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera...

♦ Andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana : Natomboka androany teny Isotry ny fandaharan'asa fanadiovana ho fanatsarana ireo toeram-ponenan'ny mponina eny amin'ny faritra iva... ♦ Tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy, na ho avy aza ny maitso ahitra, mbola misy tahirim-bary 100 000 taonina ao Toamasina... ♦ Hovelomina ny orinasam-panjakàna Madarail ho fanamaivanana ny fitanterana entana ho an'ny RN2, famatsiam-bola avy amin'ny banky iraisam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...