♦ Nadiso ny vaovao niparitaka  ny orinasa Madagascar OIl fa namatsy vola amin'ny voalaza fa fikasàna hifofo ny ain'ny filoham-pirenena. Nanao fanambaràna momba izany ny mpitantana ny orinasa... ♦ Niakatra fampanoavana avy hatrany omaly, Ramatoa Clémence Raharinirina, taorian'ny fampiantsoana azy teny amin'ny Polisy, mikasika ny fihetsiketsehan'ny mpivarotra amoron-dalana... ♦ Nanome famatsiam-bola fanampiny 7,5 tapitrisa dolara ny governemanta amerikana ho fanampiana ireo olona tratra ny kéré any Atsimo... 

Vao tsy ela akory no nisian'ny Sinaoda maneran-tany ho an'ny tanora, taoriana izay dia nandalo teto Madagasikara ny Pape Fransoa. Amin'ny fitsidihina rehetra hataony dia mihaona amin'ny sokajin'olona maro ny Pape Fransoa, ary tsy hadinony ny mihaona manokana amin'ny tanora. Resahina entoana ny loha-hevitra hoe : fikolokoloan'ny tanora ny fahaiza-manaony. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Talata 27 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43

♦ Manaratsy endrika ny asan'ny mpanao famotorana ny fivoahan'ilay horonan-tsary mirakitra ny fisavana ny tranon'ny iray tamin'ireo olona voasambotra, noho ny fikasana hamono ny filoha, hoy ny mpahay lalana... ♦ Tombanana ho tafakatra telo hetsy sy iray tapitrisa ny isan'ireo olona tratran'ny kere any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy, manomboka ny volana ôktôbra amin'ity taona ity. Nisy indray ny famatsiam-bola hiatrehana izany, nentin'ny Governemanta amerikana...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...