Alatsinainy 26 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 31-35

Ilaina ny fananana fahasahiana eo amin'ny fiainana. Misy fomba fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena". Mila mijoro izany isika, mila vonona ny hanao zavatra. Mila ialàna ny toe-tsaina mora kivy na koa tsy mihevitra afa-tsy ny mety ho voka-dratsiny fa mila fahatokisantena sy fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

Alahady 25 jolay 2021 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15

Ny zaza an-tsoson-koditra dia fiforonana sy fipetrahan'ny zaza ivelan'ny tranon-jaza, Mila fandraisana an-tanana aingana ny vehivavy mahazo zaza an-tsoson-koditra satria mety hafaty raha tsy voatsabo. Misy antony maromaro ny mahatonga ny zaza an-tsoson-koditra ka isan'izany ny fisian'ny tsimok'aretina ao amin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy, olana amin'ilay fantsona mitondra ny atody ho ao amin'ny tranon-jaza, voka-dratsin'ny fifohana sigara noraisin'ilay vehivevy mitondra vohoka... 

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...