Talata 6 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38
♦ Miisa 546.635 ireo hiadina CEPE rahampitso manerana ny nosy. Iray amin'ireo no manana toe-batana "autiste"... ♦ Misy amin'ireo mpiadina ara-panatanjahan-tena bakalorea no voamarina fa mitondra vohoka. Olana niverimberina teny amin'ny kianjan'i Betongolo kosa ny fanadinoan'ireo mpiadina ny karatra maha mpianatra sy ny kara-panondrompirenena...
♦ "Inty aho tonga hanao ny sitraponao" (Heb 10, 9a), io no teny nofidian'i Cher Frère Julien Ratsimbazafy amin'ny andraikitra vaovao izay sahanin'ny amin'ny maha Visiteur vaovaon'ny fikambanana Lasalianina azy... ♦ Hiantso Sinaody atao ao anatin'ny dimy taona ny Arsidiôsezin'Antsiranana ka hosokafana ny volana ôktôbra izao izany... ♦ Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny Papa François omaly tolakandro, araka ny fanambarana nataon'ny fiandraiketana ny filazam-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina...
♦ Nampiaka-peony antoko pôlitika Madio momba ireo raharaha tranga-na kolikoly avo lenta nandefasan'izy ireo fitoriana tany amin'ny Bianco. Tsy mbola nivaly8 volana aty aoriana ny fitoriana napetraka... ♦ Nahena ho 5% ny hetra halaina amin'ny fanafarana gazy ampiasaina amin'ny fandrahoantsakafo eto Madagasikara, raha % teo aloha... ♦ Naverina nosokafana indray ny fanadihadiana momba ny namaizan'ny foiben'ny ONE eny Antaninarenina, taona iray taty aorian'ny nitrangàn'ny loza...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco