Tsy maintsy mikendry sy mamorona ny asa fivelomany ny tsirairay, tokony hirindra ireo asa samihafa ireo ka ny Fanjakàna na ny tompon'andraikitra voafaritra no manao ny fandrindrana. Tanjona ny tsy hisian'ny asa mifanitsaka na eo aza ny fahalalahana hifaninana ary modelin'izany ny fiainan'ireo mponina eny amin'ny Akamasoa. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Zoma 25 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4
♦ Nanao famerenana farany amin'ny matso eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao, androany tolak'andro, ireo mpandray anjara amin'izany. Hisantatra ny matso ny sabotsy izao ny fisidinan'ny fiaramanidin'ny Tafika an'abakabaka... ♦ Notokanan'ny Filoham-pirenena androany, ny lalana Rocade-n'Iarivo, mirefy 8,2 km. Vola 62,8 tapitrisa Euros no nentina nanamboarana izany tao anatin'ny roa taona...
Valanjavaboarin'i Tsimanapetsotse, Nosy Ve Androky dia mampifandray ny ala tsilo, ny ranomasina ary ny olombelona. Tamin'ny taona 2014 dia nanana velarana 203 525ha io valanjavaboary io. Nosokajian'ny UNESCO ho isan'ny valanjavaboary bolanaina fahadimy misy eto Madagasikara, manampy an'i Mananara-Avaratra Sahamalaza, Nosy Radama, ny morontsirak'i Toliara Kirindy Mitea, ary Beloha-sur-mer...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco