• Hiavaka ny fihaonamben'ny tanora Afrikana Youth Connect Africa andiany faha-8 izay atao eto Madagasikara amin'ity taona 2025 ity...
  • Mety handamoka ny tetik'asa hanapariahana ny voly vary safiotra eto Madagasikara satria tsy mbola resy lahatra amin'izany ny tantsaha...
  • Mpianatra an-jatony no tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny trano fonenan'ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny sabotsy alina teo...
  • Nandray ôfisialy ny asa maha filohan'ny Federasiônan'ny Fivondronamben'ny Eveka azy, any Azia ny kardinaly Filipe Neri Ferrao ny voalohan'ny volana janoary teo...

  • Tontosa somantsara omaly alahady 5 janoary ny fametrahana an'ny Mgr Marcellin Randriamamonjy ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Fotoana tokony hijoroan'ny vahoaka Malagasy izao satria tsy azo antenaina intsony ny fiovan'ny fomba fitantanan'ny mpitondra hoy ny antoko Kintana...
  • Olona efa nalohan'ny vahoaka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ireo minia mamboly korontana ankehitriny hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta, ny ministra Volamirantsy Donna...
  • Tafakatra 88 ireo olona maty, ary maro no naratra tany Gaza, vokatry ny fanafihan'ny tafika Israelianina tany amin'ity faritra ity, tato anatin'ny 2 andro...

Ny 06 janoary no ankalazaina ny fisehoan'i Jesoa Zanak'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, Ilay Mesia, Teny tonga nofo eo amin'izao tontolo izao novangian'ireo Majy antsoina koa hoe Epifania. Marihana fa noho ity daty ity andro fiasana no mahatonga ny firenena sasany hankalaza azy ny alahady faharoa aorian'ny Noely.

Misy fomba fivavahana maro azo atao raha hanao vavaka miainga amin'ny Tenin'Andriamanitra : isan'ny fampiasa matetika ny " fandinihana" sy ny fibanjinana. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Rehefa avy nandray ny Tenin'Andriamanitra ka nandinika izany ny kristianina dia manohy miaina izany... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...