Izay mahakolokolo manana ny soa, hoy ny fiteny. Raha te hahira-tsaina dia tsara raha tia karokaroka ny tanora mba tsy ho arafesina ny saina ary mba hanitaram-pahalalana. Hampandrosoana ny pastoralin'ny tanora dia omena lanja ireto roa ireto hoy ny Papa Fransoa : Fikarohana sy fitomboana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Zoma 6 aogositra 2021 — Fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10

♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny efatra amin'ireo voarohirohy amin'ilay raharaha fikasana hamono mpitondra ambony eto amin'ny firenena "Apollo 21". Hitohy rahampitso indray ny fitsarana ity raharaha ity... ♦ Mitaraina ny fikambanan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, amin'ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny mampiditra mpianatra eny amin'izy ireo. Miantso ny fitondrana handray andraikitra koa ity fikambanana ity, amin'ny fidangan'ny vidin'ny fitaovam-pianarana amin'izao...

♦ Ny fikambanana AVENIR dia misehatra ao amin'ny Distrika Manjakandriana, nanomboka tamin'ny taona 1996. Ity fikambanana ity dia nanao ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, isan'izany ny ady amin'ny doro tanety sy ny fampiasàna ny saribao tany... ♦ Ny maingoka dia bibikely tsy misy taolana sokajiana ho iray tarika amin'ny "arachnides", misy 600 karazana maneran-tany... ♦ Efa mampiasa ilay fitaovana " FireCast" i Madagasikara, fiaraha-miasa amin'ny Naza, ho fanisàna ny tranga sy fiarovana amin'ny afo... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...