Mandalo eo amin'ny fiainan'ny mpivady ny fahadisoam-panantenana. Ny fifampiresahana eo amin'ny mpivady miampy ny fandavantena sy ny fahatozoana no ahafahany mifankahery sy mifanohana amin'izany. Ny faharetana amin'izany no hampisy ny fahasambarana eo amin'ny fiainan'ny mpivady...

Raha vao miteny hoe "manana ny maha izy azy" matetika dia toa manondro olona malaza izay. Ny tanjona anefa dia ny mba hananan'ny olona toetra : hijoro, hahaleotena, hanana hevitra manokana fa tsy hanaraka ny hafa, ho matotra. Fehiny mba ho olom-banona amin'ny lafiny rehetra. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Zoma 9 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23

♦ Mbola mamerina ny antso mba hisian'ny fitoniana sy ny filaminana, ka haneho fifandeferana sy ny hamom-po pôlitika handresena ny kere sy ny Covid-19 ny CFM. Miatrika fivoriana ara-potoana faharoa moa ity rafi-panjakana ity, nanomboka androany... ♦ Niverina nitokona indray androany, ireo mpiasan'ny Paositra Malagasy. Misy ny hetsika firaisan-kinan'ireo mpiasan'ny Paositra manerana ny Nosy, mandritra ny tapak'andro, ho an'ny rahampitso sy amin'ny sabotsy izao...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...