♦ Nisy nikasa hamono ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ravalomanana Richard ny volana jona lasa teo. Voasambotra ireo olona enina voarohirohy... ♦ Nahazo fanasana tamin'ny antoko kaominista sinoa nandray anjara tamin'ilay velan-kevitra nokarakarain'izy ireo noho ny fahazat taonan'ny antoko ny vondrona IRD... ♦ Tontosa omaly ny fanadinam-panjakàna CEPE, hiatrika ny fitsaràna ny taratasim-panadinana avy hatrany ireo mpitsara... 

I Kristy no ivon'ny tantaram-pamonjena sy Mpamonjy tokana ; Izy no nanatanterakany Fampanantenana rehetra. Izay mino an'i Kristy no atao hoe Kristiana, tsy anarana entina fotsiny anefa izany fa toe-piainana mihitsy, tsy ankosotra fa mamolavola ny maha izy ny tena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Alarobia 7 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7

♦ Hirosoana avy hatrany ny fitsarana ny taratasin'ireo mpiadina CEPE izay nahavita fanadinana androany ary ho hafainganina ny famoahana ny voka-panadinana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Tsy nisy ny aina nafoy momba ny fivoaran'ny Coronavirus. Valo ireo tranga vaovao voatily araka ny tatitra nivoaka androany...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...