Zoma 9 aprily 2021 — Zoma amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14

♦ Vita fianianana androany teny Ambohidahy ireo mpikambanana vaovao valo, eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ho fantatra afaka valo andro izay ho filoha vaovaon'ny HCC... ♦ Nisy olona enina indray, matin'ny Coronavirus.Nitombo 348 ireo tranga vaovao eto amintsika, araka ny antotan'isa ôfisaly nivoaka androany tolakandro...

♦ Efa ao anatin'ny  fanatanterahana ny fandaharan'asa momba ny fivarotana entona "carbone" amin'ny alalan'ny fiarovana ny ala voajanahary i Madagasikara. Tafiditra amin'ny ezaka hanamafisana ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy, ireo no misintona ny entona manepotra... ♦ Ramanavy na "chauve-souris à ventouse" dia isan'ireo hita eto Madagasikara. Misy an'ilay karazany kely indrindra eto, ary miavaka noho ny firafitry ny tendron'ny tongony sy ny tanany, somary boribory sy misy fantsy maranitra... 

♦ Amperin'asa nanomboka androany ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny HCC. Tontosa androany maraina ny lanonana ara-pitsaràna momba ny fihanianan'izy ireo... ♦ Tsy sasatry ny manentana ny olom-pirenena hanao ny arovava sy orona eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny fiparitahan'ny Covid... ♦ Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra... 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...