Sabotsy 13 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10
Namotopototra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny fanafahana an'i Hermann Rakotomalala tany Toliara androany ireo Fiaraha-monim-pirenena miisa sivy. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa ny Governoran'Atsimo Andrefana no tao ambadiky ny fitoriana ity Filoha lefitry ny KMF/CNOE ity...
Mikisaka any amin'ny faritr'i Menabe ny tsy fahampian'ny rano enti-mamokatra noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana. Misedra fahasahiranana noho izany ny mpamboly ka anairan'ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha any amin'izany faritra izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olana...
Efa vita ny fanadihadian'ny teo anivon'ny fadintseranana mahakasika ilay raharaha volamena nahondrana antsokosoko, tratra tany Afrika Atsimo. Ny fahavitan'ny fanadihadian'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na ny PAC, kosa no andrasana, ahafantarana ny tena isan'ireo mpiasan'ny fadintseranana voarohirohy tamin'ity raharaha ity...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco