♦ Azo atao tsara ny mampisambotra ireo olona any ivelany nanao fandikan-dalana, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta na ny samy fitsarana, hoy ny mpitandro ny filaminana na ny EMMONAT androany... ♦ Ny amin'ilay fandorana olana tany Betroka kosa, olona enina no efa voasambotra, ary hiakatra fitsarana tsy ho ela izy ireo...
♦ Tsy misy mampanahy ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ny mpamatsy vola vahiny na teo aza ny taratasy filazam-baovao avy amin'ny banky iraisam-pirenena, nivoaka antsokosoko iny taratasy iny... ♦ Tokony sarahana ho ministera roa ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Fanambaran'ny FIAVAMA... ♦ Horaisin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka izao ny fanadiovana sy ny fanesoranany ny fako ao an-drenivohitra. Nofoanana ny SAMVA ka ny SMA no hiantsoroka izany...
♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara amin'ny alalan'ny Vaomiera Mpanara-maso ny Banky sy ny fandraharahana ara-bola na ny CSBF ny fanaraha-maso ny sehatry ny Fiantohana eto Madagasikara... ♦ Hanohana antsika amin'ny fanatanterahana ny politika fiarovana ny fari-dranomasin'i Madagasikara sy ny ranomasimbe indiana i Inde... ♦ Lavin'ny antoko mpanohitra any Niger ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Nibata ny fandresena tamin'izany i Mahomed Bazoum...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco