14 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy... • Mbola fitaovan-tserasera mankaiky vahoaka indrindra ny Radio, eto Madagasikara. Andro maneran-tany ho an'ny Radio, ny andron'ny 13 febroary... • Nangataka fampakarana 30% amin'ny karama farany ambany ny Fiaraha-midiniky ny Mpiasa Malagasy, ho an'ity taona ity. Nisy ny dinika niresahana izany tamin'ireo vondron'ny mpampiasa amin'ny sehatra tsy miankina...
Ny fanabeazana ao an-tokantrano dia mampianatra ny zanaka ho tompon'andraikitra ; tsy misy ny fiatsaram-piainana raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra miainga amin'ny tenanao. Tsy mora ny fanovàna ny toe-tsaina fa ilàna finiavana, miainga amin'ny fampiasana ny hery anaty. Miainga amin'ny tsirairay ny fiovana. Ny fikarakarana vatana dia misy akony tsara ho an'ny saina, avy eo miitatra amin'ny fo sy fanahy, izay fototry ny fandraisan'andraikitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco