Alarobia 23 desambra 2020 — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay ; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

♦ Ho hentitra amin'ireo mpamily mihoa-pefy amin'izao fetin'ny faran'ny taona izao ny eo anivon'ny ATT ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga, hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso momba ny fepetra ara-pahasalamana... ♦ Hiverina amin'ny taona 2021 indray ny fifaninana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha eo anivon'ny sekoly ambony ENMG ao Tsaralalana, rehefa nihato nandritra ny 2 taona dia ny taona 2019 sy ny 2020... ♦ Hintantana ny vondrona eraopeana mandritra ny enim-bolana manomboka ny volana janoary izao i Portugal... 

♦ Nafohezina ho 20 andro ihany ny fotoam-pialan-tsasatry ny fitsaràna amin'ity. Hanomboka rahampitso moa izany fiatoan'ny raharaham-pitsaràna izany manerana ny nosy... ♦ Nitondra fanazavàna ny ministry ny fanabeazam-pirenena, momba ny fisian'ireo kit scolaire nisy nanary tanaty dabam-pako tao an-drenivohitra... ♦ Tsy azo amidy eny an-dalambe intsony ireo "masque chirurgicale" fampiasa amin'ny fitsaboana, hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, hisy fepetra ho raisina mifandraika amin'izany...

♦ Tsy hiasa amin'ny alakamisy izao ireo Paramed miasa amin'ny hôpitalim-panjakana manerana ny nosy, ho fitakiana ny "indemnité de réquisition" nandritra ny fotoanan'ny hamehana ara-pahasalamana teo... ♦ Hanomboka amin'izao fety izao ny hetsika manokana hotanterahin'ny tafika malagasy hamerenana ny fandriam-pahalemana manerana ny nosy. Miaramila 800 efa nofanina manokana no hahetsika... ♦ Mitoka-monina tanteraka ankehitriny i Grande Bretagne, taorian'ny nahitàna ilay Coronavirus "souche" vaovao, izay mora mifindra...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...