Talata 13 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 37-41 — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Fanomanana ny tanora amin'ny fanambadiana. Fampahatsiahivana ireo antanan-tohatra mankamin'ny fahamatorana. Fampitana ny fomba fiorenan'ny fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy. Fampahafantarana ireo singa mamelona ny faharetan'ny fitiavan'ny mpivady.

Alatsinainy 12 ôktôbra 2020 — Jean Beyzym, Olontsambatra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45 — Ny aretintsika no nentin'i Kristy, ary ny fahoriantsika no nivesarany.

Alahady 11 ôktôbra 2020 — Alahady faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14 — Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana ; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...