♦ Miverina amin'ny andavanandro avokoa ny asa rehetra manerana an'i Madagasikara ankoatra ny eto amin'ny faritra Analamanga sy ny ditrika efatra any Toamasina... ♦ Niampy 20 ireo olona voatily ho tratran'ny Coronavirus ary dimy ireo marary sitrana araka ny tatitry ny CCO... ♦ Ankizy simba molotra sy vaky lanilany 500 no tokony hahazo fandidiana avy amin'ny Opération Smile saingy mbola miandry ny fivoaran'ny Coronavirus ny fotoam-pandidiana...

Mila manontany tena ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan'ny tontolo manodidina azy. Mila mikaroka ny saina. Inona no tokony atao mba tsy hanimbana ny olona eo akaiky ? Mila migaga ny fahatsaran'ny zava-boahary ; satria mitarika ny saina hanao zavatra tsara izany.

Alatsinainy 15 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny Vavanao.

Alahady 14 jona 2020 — Vatana aman-dRan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 51-58 — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo ; izay mihinana amin'ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...